--- Duo
Efa fantatrao angamba
Efa fantatrao angamba
--- Vavy
Fa ny fahitako anao
Nampitombo lanja ny heriko
--- Lahy
Fa ilay fitsikinao
Nampikombona ny feriko
--- Vavy
Fa ny diam-peninao
Nahababo ny fijeriko
--- Lahy
Fa ny tononkalonao
Zary lasa tsianjeriko
--- Duo
Efa fantatrao angamba
Efa fantatrao angamba
--- Vavy
Fa ny teny maminao
No tahiry tsy mba veriko
--- Lahy
Fa ny andinim-piainanao
Raikitra ho misiteriko
V : Satria tiako
L : Tia ahy
--- Duo
ianao
Ka ny aminao rehetra
Zava-tsaro-bidy ho ahy
Satria koa
Tia ahy ianao
Dia nisy hery izay nametra
Sy nitantana fanahy
Fa ny foko manontolo
No efa voakolokolo
Hamoa fitia ho anao daholo
Hamoa fitia ho anao daholo
Fantatrao hatramin'izao
Fa ianao, ianao ihany
No hany tokako eto an-tany
--------- mifarna ----