Indray hariva nifoka sigara aho teo antokotany
Nanontany tena
Mba ho lasa inona indray andro any?
Nidobodoboka henoko tsara ny tany am-poko tany
Hoe inona no tena ilavana ahy eto an-tany?
Inona no tian'i Dada?
Inona no tian'i Mama?
Inona ilay asa mahavelona tsara sy mendrika hikaramana?
Inona no tian-dramose?
Inona no tian'i Madama?
Aiza no hiafaran'ny lesona averina any am-pianarana any?
Hanao izay hahafaly an'iry
Mba tsy ho afa-baraka amin'ny atsy
Izay no mibaiko ny safidiko mazàna na ho tsara na ho ratsy
Dia mila mibôsy an'ity
Fa sao dia tsy tafa hono mantsy
Dia ilay nofinofy matahotra ho faty satria fa nambanako ny antsy
Dia nataoko ary izay tian'ny olona
Na tsy sitrapoko aza
Miandry doka amin'ny fiaraha-monina
Hoe "hendry kosa ilay zaza"
Non non
Nataoko ary izay tian'ny olona
Na tsy sitrapoko aza
Tia ho lakan'ity hazo
Mba tondray izaho
Fa malazo
Kanefa tsy ho lakana aby ny hazo
Ravitoto, mangahazo
Tia ho lakan'ity hazo
Mba tondray izaho
Fa malazo
Kanefa tsy ho lakana aby ny hazo
Ravitoto
Ndehana lety manao dokotera
Hum kelikely ny tokin'aina
Poinsa koa manao pilote
Tia hanidina ihany aho fa any an-tsaina
Politika hitantana firenena?
Aleoko mijanona ho ambakaina
Niafarany sociologue
Tiako ihany fa nampiferin'aina
Niteny aho fa tsisy nihaino hoe "izaho mba tia ho" (inona?)
Rehefa nisy nihaino indray dia tsy nisy nino hoe
"Izany mba ahazo ohatr'inona?"
Raha natokisana hatramin'ny voalohany aho
Tsy nampatahotra ahy ny any aoriana
Tsy voabaiko na zavatra fohana aho
Fa ny nofinofiko aza ampanginina
Lasitra tonta efa hatramin'izay
No amadibadihany ny hoavinao
Hatramin'izay izy no efa mofo gasy
Mbola mofo gasy ihany hatramin'izao
Izaho tsy miteny hoe io mofo ratsy
Fa mba tia hihinan-javatra vaovao
Tsy hanatanteraka nofy ratsy
Fa hanao mozika izao dia izao
Dia hoatao ve izay tian'ny olona?
Na tsy sitrapoko aza?
Himonomonona ny fiaraha-monina hoe
"Mafy loha izany raha zaza"
Non non
Hoatao ve izay tian'ny olona?
Na tsy sitrapoko aza?
Novelomiko ny ordi
Nataokotaoko ary ny instà
Nampiakapiakariko ny inspi
Fa efa ohatran'ny adala manenjika ahy
Impiry aho no bedin'ny Dada sy Neny
Ny lesonao mba ianaro kely
Aleoko nandrafitra fehezanteny
Hitoeran'ny fanahy malahelo
Dia nadoboko mba hampitresaka
Izay sakana rehetra mipetraka
Nasiako dia io fa niteraka
Asa soratra bobaka, betsaka
Nahazoako daka
Felaka
Niandry an'i Paoly aho raha niandry mpitehaka
Aza gadraina ao amin'ny rindrina 4
Fa omeo elatra aho, hivelatra
Dia nataoko ary dia tian'ny olona
Fa izay no sitrapoko a
Gaga eo ny fiaraha-monina
Hoe "lasa ihany ilay zaza"
Ouais ouais
Nataoko ary dia tian'ny olona
Fa izay no sitrapoko a
Tia ho lakan'ity hazo
Mba tondray izaho
Fa malazo
Kanefa tsy ho lakana aby ny hazo
Ravitoto