logo

Mitonia

logo
الكلمات
Mitonia zanako,

Fa eto Aho

Reko avokoa ireo vavakao

Mihatra amin'ny aiko ny alahelonao

Mitrakà ianao

Aza manahy fa eto Aho

Matokia Ahy zanako

F' Izaho tsy afohy anao Aho

Etsy ho fafako ny ranomasonao

Tsapako izay tsapanao

Tiako loatra ianao

Indrindra aza adino fa eto Aho

Ny zava-drehetra tsy voatery

Hahafaly anao

Fa ny zava-drehetra miara-miasa hahasoa anao

Aza manahy fa eto Aho

Tsy avelako handeha irery ianao

Mety tsy ho azonao izay hitondrako anao

Fa aza manahy

Aza manahy

Fa Izaho hitantana anao

Mitonia zanako

Fa eto Aho

Ampianariko zava-baovao ianao

Ny hampatanjaka anao no anton'izao

Haiko fa marary

Nefa hanampy anao hanakaiky Ahy

Ny zava-drehetra tsy voatery

Hahafaly anao

Fa ny zava-drehetra miara miasa hahasoa anao

Aza manahy fa eto Aho

Tsy avelako handeha irery ianao

Mety tsy ho azonao izay hitondrako anao

Fa aza manahy

Aza manahy

Fa Izaho hitantana anao

Ny zava-drehetra tsy voatery

Hahafaly anao

Fa ny zava-drehetra miara miasa hahasoa anao

Aza manahy fa eto aho

Tsy avelako handeha irery ianao

Mety tsy ho azonao izay hitondrako anao

Fa aza manahy

Làlan-tsara no hitondrako anao

Hampandresy anao Aho

Ao aoriana ao

Ho tafiako ny Voninahitro ianao

Raha matoky Ahy

Aza manahy

Fa Izaho hitantana anao

Aza manahy

Fa izaho hitantana anao

Mitonia لـ Fy/His band Reko - الكلمات والمقاطع