menu-iconlogo
huatong
huatong
avatar

Embona sy hanina

Mahaleohuatong
লিরিক্স
রেকর্ডিং
(introduction)

Embona sy hanina

Tsiahy mahafanina

Ngoly ny fo mamelovelo

Madisadisan’alahelo

Ny havona tazanina

Tsy hita ho dinganina

Fa lavitra loatra ianao ka tsy tratra

Ny aina marary ny fo maratra

Fa ny antsoko

Ny akony no mitampody

Mba nihika

mafy ihany aho fa tsy tody

Izay

Jereko manjavozavo

Takon drahona sy vohitra avo

Fa mahery

Sy masiaka ny onja

Tsisy lakana mety afaka hitondra

Ny maso

No alefa maminany

Hibanjina anao any ho any

(instrumental)

Alahelo sy toloko

Raha vao injay tsaroko

Fa noho ny hasoparan’ny tany

Izaho aty ianao lavitra any

Tsy azo hihadiana ny anjara

Izay angamba no heveriny ho tsara

Izaho tsy kivy tsy ketraka

Na dia mangidy mavesatra

Fa ny ahy

Dia fitia tena marina

Na anaty onaona aza ho tafarina

Na halevina

Mety handifitr’olona

Hiposaka haniry hamololona

Ny hany hafatro

Dia ny hoe matokia

F’izaho

Tsy hitsahatra ny hitia

Tsy ny halavirana tsy ny taona

No ahasakana ny fontsika tsy hihaona

(ending)

Mahaleo থেকে আরও

সব দেখুনlogo