menu-iconlogo
huatong
huatong
avatar

rahoviana re

Rambaohuatong
💖🇲🇬TinaYstomine💖huatong
লিরিক্স
রেকর্ডিং
--Rahoviana re-Rambao--

Manjombon-dava re

Toa maizim-pito ny andro ety

Tsy hita intsony izay aleha

Fa dify teo, nisinda ilay fitia

Fa toa ny vao omaly

Ireo toky natolony

Izahay niara-nifaly

Sainga fitia an-tendro-molony

Rahoviana angaha no mety hanadinoiko

Ireo tantara saika tsy ho vonoiko

Rahoviana re

Rahoviana indray vao mety hisy hafaliana

Tambitamby akaikin’olon-tiana

Rahoviana re

.............

Izay sahady ve

Ilay voninkazo vao namony

Lazao azy fa izy hono hoe

Mahatsiaro foana sy malahelo am-po

Mangina lava ny eto

Tsy misy mpahalala

Tomany vonton-tsento

Hankaiza moa,

Nilaozan’i malala

Rahoviana angaha no mety ho foana avokoa

Ireo akom-pahatsiarovanay taloha

Rahoviana re

Rahoviana indray vao mety hisy hazavana

Hifaliako indray ao antanana

Rahoviana re

..............

Iantsoako tody ve

Nefa aiza moa ny farany

Tolory fanafody aho e

Tsy hahatsiaro, soloy ny anarany

Efa natolotro azy

Izao tontolo rehetra izao

Mahery noho ny sazy

Ny fijaliana niafiako hatramizao

Rahoviana angaha no mety hanadinoiko

Ireo tantara saika tsy vonoiko

Rahoviana re

Rahoviana indray vao mety hisy hafaliana

Tambitamby akaikin’olontiana

Rahoviana re

---(TinaYstomine)---

Rambao থেকে আরও

সব দেখুনlogo