Na dia tsy ho ahy mintsy aza ianao
Dia mbola tiako ho fantatrao
Misy fitia ao anatiko ao
Natokako mangina ho anao
Hatrany am-piandohana no fantatro
Fa tsy ho tafara-dalana
Fitiavanao tsy ho takatro
Fa toa afindrafindranao
Ranomasoko nilatsaka noho ianao
Alahelo mitambesatra satria lasa ianao
Na oviana tsy ho voakosoka ao am-po
Ireo fihetsikao, toetranao mambabo fo
Raha izay fiarahantsika hatr'izay
Tsy hanadinoako anao na oviana
Na tsy ho tanteraka aza ireo faniriana
Ny fisianao dia ampy hifaliana
Na dia tsy ho ahy mihintsy aza ianao
Dia mbola tiako ho fantatrao
Misy fitia ao anatiko ao
Natokako mangina ho anao
Ranomasoko nilatsaka noho ianao
Alahelo mitambesatra satria lasa ianao
Na oviana tsy ho voakosoka ao am-po
Ireo fihetsikao, toetranao mambabo fo
Ranomasoko nilatsaka noho ianao
alahelo mitambesatra satria lasa ianao
Na oviana tsy ho voakosoka ao am-po
Ireo fihetsikao,reo toetranao mambabo fo