MAHALEO - FARIBOLANA
(Ranto Roméo)
Olona samihafa loko ,
samihafa firazànana
Tsy tia mitsitokotoko
fa mifandray tànana
Samy leo sy mahatsapa
fa ratsy ny mizarazara
Ka aleo iray lapa
mitovy zo mitovy anjara
Ireo tanana izay mifandray
toa sarotra sarahina
Toa miloko rano iray
tsy hita ho havahana
Toy ny ankizy miara milalao ,
toa lavitry ny olana
Jereo ireto izy malaina hifandao
manao faribolana
INSTRU...
Dia mihodina tsy misy fiafarany
miodidina fitiavana
Fa tsara sy mamy aok’izany
izany hoe mifampihavana
Hadino hoe Rakoto ilay mavomavo ,
Rabe ilay manana
Fa samy hazoto hanandratra avo
Ny hiram-pihavanana
Jereko ny manodidina ahy
toa mianjona mangarika
Antsoiko hoe ndao isika hiray
tsy misy voasarika
Fa misy ny loko tsy mety hifangaro,
misy harena tsy hihavanana
Dia mitsitokotoko miala amin’ny maro
ireo fotsy sy ireo manana
-------Mankasitraka--------