menu-iconlogo
huatong
huatong
avatar

Tsy Miraharaha

Mahaleohuatong
moomoo0368huatong
Liedtext
Aufnahmen
Tanety dorana, tsy miraharaha

Arehitra ny ala, tsy miraharaha

May ny tanindrazana e, tsy miraharaha

Ny hoavin'ny taranaka, tsy miraharaha

O 'ry Aba, O 'ry hendry e

Ny hamono antsika anie tsy mba basy velively

O 'ry Aba, O 'ry hendry e

Tsy mahatsiaro tena isika, mihamaty tsikelikely

Risoriso manjaka, tsy miraharaha

Izay osa voadaka, tsy miraharaha

Ny efa matanjaka e, tsy miraharaha

Sondriana mitrandraka, tsy miraharaha

O 'ry Aba, O 'ry hendry e

Ny safiran' Ilakaka tsy hita velively

O 'ry Aba, O 'ry hendry e

Saingy afa-drakotra izao ny tantely

O 'ry Aba, O 'ry hendry e

Ny harena an-kibon'ny tany

Tsy misy mitsitsy velively

O 'ry Aba, O 'ry hendry e

Ny taranantsika re mba amelao kely

Ny fiarahamonina, tsy miraharaha

Aleony mionona, tsy miraharaha

Lasa fomba mahazatra e ny tsy miraharaha

Isika Malagasy lasa tsy miraharaha

O 'ry Aba, O 'ry hendry e

Tena loza ity. Isika Malagasy anie ho very

O 'ry Aba, O 'ry hendry e

Vola indray izao o no solon'ny fanjakana manan-kery

O 'ry Aba, O 'ry hendry e

Tena loza ity. Isika Malagasy anie ho very

O 'ry Aba, O 'ry hendry e

Vola indray izao o no solon'ny Ray aman-dReny ton-teny

O 'ry Aba, O 'ry hendry e

Soa ihany fa mbola misy anareo e miraharaha

O 'ry Aba, O 'ry hendry e

Soa ihany fa mbola misy zanakareo e miraharaha

Mehr von Mahaleo

Alle sehenlogo