Izay feonkira izay, feonkirantsika
Henoy, tsaroanao ve, zay ilay mozika
Natao fidirana, taoriani litorjia,
Ianao nitendry ilay harmonia,
Izay feonkira izay, tsaroako tsara
Zahay sy nenitoa, niditra tara
Tery aloha tery, vao nisy toerana
Fa voka-dehibe tamin’izay
Andro paka moa io andro io
Hipoka avokoa, ny dabilio
Vao niditra izahay,
Dia hitako ianao
Nitendry ilay harmonia
Nitodika ianao, nijery ahy
Toa te hitsiky angaha, nefa tsy sahy
Izaho sadaikatra, namindra saikatra
Satria tsy afa-nandeha, raikitra
Nihondrika aho satria menatra mafy
Hilefa ho aiza moa, voatery miafy
Ny doboky ny fo injao fa mafy ery
Toa hoe hihoatra ilay harmonia
Tsy de fantatro zay lohateny
Ny hany tsaroako, dia ny feony
Fa ho ahy mantsy dia izay
Lay feona harmonia,
Feonkira milaza fitia
Ooo o o fa
Fa ho ahy mantsy dia izay
Lay feona harmonia,
Feonkira milaza fitia