Fa fony vao namony ny fitiavako anao
(BODO):
Nanomboka nazava ilay jiro nitsilopy
Ho tonga ny havandra sy ny orana nikija tonga hisompatra
Nanapaka ny taho sy namono ilay afo
Tsy naharitra aho fa lasa
Nanefy akany vaovao ho ahy
Hanorenako indray ilay fitia nitsahinao
Nandratra ahy
(POOPY):
Tsy hitamby aminao, na mangidy aza izany
Maika mantsy ho fantatrao, ka izaho tsy hitomany
Ka ny hoaviko eny indrisy, efa nopotehinao
Hosaronako ilay tsiky,
amin’zay tsy ho fantatrao
Tsy ataoko ho fantatrao ny ratram-poko ao
Sao araraotinao hampijalina ahy indray
Ataoko toy ny hoe tsy tiako intsony ianao
Hiala aminao aho sy hanadino anao
(BODO):
Oram-be mivatravatra kotro-baratra
No nalaiko ho namanao
Tsy hamoy fo alahelo an-tanin’olona aho
Fa nataoko hampatsiahy ilay akany lavitra
Na ny mamiratra aza no hanambazan' ahy
Tsy nahasarika ahy ireo fa ianao
Ry tany mamiko no nampanembona ahy
Nierikerika aho fa sao tao ianao
An-tsaina sisa no nahitako anao
(POOPY):
Ny sitra-pony vitany, nefa ianao feheziny
Lay fahafahanao toa nitsahiny, tsy tsaroany fa
Ireo toky sy dina nentiny nambabo anao
Hay rotsirotsy fotsiny hampatory anao
Hitanao izao f’ilay fitiavany dia tsy natolony ho anao
Fa ho an’ny tenany
(BODO):
Sombinaiko ho anao
no amoronako ity hira ity f’efa
Tsy ho ela ...dia ho avy
ilay ora iray iandrasako anao
Fantatro fa tsy safidinao
ny ho tonga ety an-tany
Tsy lanitra no hitsena anao na paradisa koa
(POOPY):
Mangahiahy tsy misy hitarainana
Tsy mana-namana, tsy manan-kavana
Toa kamboty zary singan’olona
Mavesatra ny fahanginana
(BODO)
Mifendrofendro toa vonton’ny tomany
Toa fenofeno ary sy manimanina
I dada sy i neny tsy eo anilany
Tsy hita izay ho sarangotina
REF:
Fa firy moa no mba mijery izany
Eny firy koa no mba manampy azy
Misy ireo miraviravy tanana
Toa mafy fo tsy mba miantra namana
Fa firy moa no mba mijery izany
Eny firy koa no mba manampy azy
Ka... tolory tanana aho mba jereo
Fa aza avelanao ho irery fotsiny eo
Fa firy moa no mba mijery izany
Eny firy koa no mba manampy azy
kaaa...;;
Ka... tolory tanana aho mba jereo
Fa aza avelanao ho irery fotsiny eo
Thanks for singing!
HERI