Na teo aza ireo tsiky nasetrinao
Ny tamby toa nihoam-pefy indraindray
Dia mbola nisy foana tao ho ao
Zava-maro natolotrao
Zary nampifalifaly ahy
Fony mbola teo mantsy I Neny malalanay
Ilay voaloham-pitia
Nahafoy ny ainy hatrany
Fa mamiko loatra izy izay
Na dia efa nandao anay
Tena manina azy aho izany
Ref:
'Zahay no lavitra anao
Fa raha ny fonay
Anilanao eny ihany Neny ô,
'reo masonay mbola tomany
Raha mieritreritra anao irony anatrao
Enti-matory androany Neny ô,
ampoko tsy mety ho lany
Ity hira ity Tsy ho faty mandrakizay
Fa hiriaria, an'habakabak'eny indray
Ho fifavako anao rehefa injay
Manirery aho ka be ahiahy
Ry Neny tsy mahafoy anay
Ref:
'Zahay no lavitra anao
Fa raha ny fonay
Anilanao eny ihany Neny ô,
'reo masonay mbola tomany
Raha mieritreritra anao irony anatrao
Enti-matory androany Neny ô,
ampoko tsy mety ho lany
Ref:
'Zahay no lavitra anao
Fa raha ny fonay
Anilanao eny ihany Neny ô,
'reo masonay mbola tomany
Raha mieritreritra anao irony anatrao
Enti-matory androany Neny ô,
ampoko tsy mety ho lany