menu-iconlogo
huatong
huatong
avatar

Soa fa nisy anao

Mıradohuatong
💖Sukotto💖スコット🇲🇬huatong
Lyrics
Recordings
Lasalasa izany saiko

Toa tsy hita izay atao

Raha mandinika ny amin'ny fiainako aho.

Mahatsiaro irery aho satria

Tsapako fa misy banga tao

Toa tsy mety izay rehetra atao hatr'izay

Fa nahoana re?

Vao nahatàzana zato endrikao

Niontanana ny ao am-poko tao

Azoko antoka tokoa fa

Ianao ilay nandrasako

Ka isaorako ny ao ambony ao

Fa nisy anao.

Toa hitondra hazavana ho ahy

Ilay tsiky sy angolanao

Mitamberina ombieny ao an-tsaiko

Tena babon'ny fijerinao aho

Satry foana ny hahita anao

Toa manjavona daholo izay jerena

Raha tsy eo ianao.

Vao nahatàzana zato endrikao

Niontanana ny ao am-poko tao

Azoko antoka tokoa fa

Ianao ilay nandrasako

Ka isaorako ny ao ambony ao

Fa nisy anao.

Raha vao nahatàzana zato endrikao

Niontanana ny ao am-poko tao

Azoko antoka tokoa fa

Ianao ilay nandrasako

Ka isaorako ny ao ambony ao

Fa nisy anao.

More From Mırado

See alllogo