Maheraza -RAMBAO ( by : yasnah )
Vizana ve no tsy mahateny intsony
Sa efa boboka ny fony
Izay mangina volamena
Izany koa no fahendrena
Mahareza re f’izao no onjan’ny tany
Mionona hatrany hatrany
F'efa napetrany ho tantara
Izay lasa rehetra tany afara
Izay angaha no fetra efa voasoratra any
Mitraka f’izao re no ankason’ny tany
Any andro iray ho avy hamalifaly anao
Andro mitsiky vaovao.
Sompatra hoy ianao kanefa ataovy an-tsaina
Fa tsy izay rehetra antenaina
Dia ho tanteraka avokoa
Fa ao ny jaly, ao ny soa
Maheraza -RAMBAO (instr : yasnah )
Izay angaha no fetra efa voasoratra any
Mitraka f’izao re no ankason’ny tany
Any andro iray ho avy hamalifaly anao
Andro mitsiky vaovao.
Sompatra hoy ianao kanefa ataovy an-tsaina
Fa tsy izay rehetra antenaina
Dia ho tanteraka avokoa
Fa ao ny jaly, ao ny soa
"Maheraza -RAMBAO" yasnah & Galasam's msaotra e ;)