BOLO – DOUDOUDOU
(Ranto Roméo)
Ou ou ou ou
Tsy andaniako fotoana intsony letsy ty
Na vola hifidianana crédit
Na ho ela na ho aingana tsy maintsy hifankahita ho’aho rehefa te hifankatia
‘Lay facebook toa hodiany fanina
Aleko to’dia tongavana any an-tranony
Matahotra ihany sao hosivaniny
Fa rehefa tsy tia koa aloha dia mijanona
Fa ‘lay hikobona aloha toa ho mafimafy ihany eee!
Sao ho lasan’ny tompony ianao indray andro any e!

Rehefa handondona ela be dia tsy ho vohainy aho ve!?

Roa maka bahana telo dia lasa
Manao manimanitra im-polo misasa
Raha mety ny tantana tonga dia miasa
Hanatanteraka izay mba kinasa
Aody ôh! Ah doudoudou,
aka doudoudou tsy nety nivoha
Raha azo natao dia ni-saute tamboha
Kanefa’zaho tsy tonga ny hangalatra koa
Fa tonga hangataka aloha sao dia mba mahazo ihany e!
Izao voatsirambin’ny fonao zarao raha mbola tsy lany eee!

(Aka doudoudou)
Efa mandondona ela be ka mba vohay aho re!?

(Aka.) Kanefa tsy nisy na mpanarangarana
Izaho moa tsy niala teo am-baravarana
Saika hikiaka aho hiantso ny anarany
Hoy aho hoe ndeha hody aho ny farany
Iny aho no lasa fa hoatry nampihomehy
No injay fa naneno ‘lay lakile
Dia nivoaka izy sady vonona be,
ndao aho ho izy mba hoeto mandehandeha
D’efa nentiko nakany Ambatolampy tany eee!
Nividianako ovy mafana ,,, roa vilany eee!
nentiko nakany Ambatolampy tany eee!
Nividianako ovy mafana ,,, roa vilany eee!
Aka doudoudou
Rehefa handondona ela be dia nohainy aho ee!

Nentiko nakany Ambatolampy tany ee!
Dia nividianako karaoty mafana,,, iray vilany e!
Efa Nentiko nakany Ambatolampy tany ee!
Dia nividianako karaoty mafana,,, lany eee!
Aka doudoudou
Rehefa handondona ela be dia nohainy aho ee!
(Aka doudoudou)
Rehefa handondona ela be dia nohainy aho ee!
(Aka doudoudou)
Rehefa handondona ela be dia nohainy aho ee!
(Aka doudoudou)
Rehefa handondona ela be dia nohainy aho ee!
(Aka.) dia Novohainy aho e! Novoahainy aho ho’aho
Novohainy aho, Novoahainy aho ho’aho
Dia Novohainy aho e! Novoahainy aho ho’aho
Novohainy aho a
Aka doudoudou
dia Novohainy aho e! Novoahainy aho ho’aho
Novohainy aho, Novoahainy aho ho’aho
Dia Novohainy aho e! Novoahainy aho ho’aho
Novohainy aho a
Aka doudoudou
-----Mankasitraka------