menu-iconlogo
huatong
huatong
avatar

Tsara Loatra ka Hiraiko

Jw Original Songhuatong
100013429490huatong
Paroles
Enregistrements
Mitsiky ho ahy ’lay masoandro maraina.

’Reo voronkely mihira ho anao, mampitony saina.

Re milanto ’lay tsio-drivotra kanto,

’Zay toy ny feon-kiran’ny ala. Mamy erỳ ny miaina!

Dia ’zao hira izao, Jehovah ô, ho anao,

Satria tsara loatra ’reo asanao. Ary izahay moa

Nahoana no mba tena ahinao?

Hidera anao aho, hikalo am’ny fo.

Hidera anao aho, hikalo am’ny fo,

Avy ao am-po.

2.’Zay jereko dia mambabo ny foko.

’Reo no mandoko ny tontolo, midera anao daholo.

Ny havoana, na ny herin’ny onja tsy tana

Dia mankalaza anao, mitory hatsarana.

Dia ’zao hira izao, Jehovah ô, ho anao,

Satria tsara loatra ’reo asanao. Ary izahay moa

Nahoana no mba tena ahinao?

Hidera anao aho, hikalo am’ny fo.

Hidera anao aho, hikalo am’ny fo,

Avy ao am-po.

Mba diniho, dia ho hitanao miharihary

Ireo toetra miavaka asehon’ilay Ray Nahary.

Dia ’zao hira izao, Jehovah ô, ho anao,

Satria tsara loatra ’reo asanao. Ary izahay moa

Nahoana no mba tena ahinao?

Hidera anao aho, hikalo am’ny fo.

Hidera anao aho, hikalo am’ny fo.

Hidera anao aho, hikalo am’ny fo.

Hidera anao aho, hikalo am’ny fo.

Hidera anao aho, hikalo am’ny fo,

Avy ao am-po.

Davantage de Jw Original Song

Voir toutlogo