Hiara-hiaina ny andro androany
Ho toy ny andro farany
Hiara-higoka izay mety ho mamy
Mandra-pahalefin'ny tarany
Ny maso hikimpy tsy hahita,
Ho tapitra ny fofonaina
Ho anenenana izay tsy vita
Fa any ankoatra tsy ho ilaina
Satria ny vintana sy anjara
No mamaritra ny dia
Rahampitso ny lalan-tsika mety hizara
Satria tsy misy ny doria
Ny vintana sy lahatra
Mety hamingana ny dia
Ny ho avy tsy voatery ho tonga lafatra
Satria tsy misy ny doria
By: yasnah & Galasam's
Ny ampitso fanontaniana,
Mety ho vatana hangatsika
Handeha hioty izay zava-tiana
Dieny ny masoandro mibalika
Isaky ny andro izay mifoha
Mety ho farany ho tadidy
Ataovy andro feno soa
Ho fahataperana ny anio
Satria ny vintana sy anjara
No mamaritra ny dia
Rahampitso ny lalantsika mety hizara
Satria tsy misy ny doria
Ny vintana sy lahatra
Mety hamingana ny dia
Ny ho avy tsy voatery ho tonga lafatra
Satria tsy misy ny doria ...