Ry foko, mangina aza tomany 
Aza minia akory ny mba manontany 
Hoe aiza ilay toerana iray izay niorenako hatrizay 
Fandrao, sao tapitr'aina ianao 
Ry foko eny ianao navela irery 
Tsy notsaroina fa nariana teny ho eny 
Ilay niandrandra fifaliana, toa nianjady fahoriana 
Mitonia, f'izay no iainanao ety 
Ataovy ao an-tsainao, ny ampitso tsy ho hay 
Tsy atao hampihemotra intsony izay vita izay 
Fa mandrosoa, katsaho ny soa, 
dia ireo taloha, soly pejy faharoa 
Fa androany ianao mijaly ampitso ianao hifaly 
Reo soa nataonao tany any andro ho voavaly 
Oh mitonia, ry foko tia 
Indray andro any, hisolo ilay fitia, ary ho doria 
Ry foko, raha tojo fiainam-baovao 
Ka hanavao eto indray ny fiainanao 
Ireo izay tsy nety sy izay rehetra tsy kinasa aleo hitoetra 
ho an'ilay tantara fahizay 
Ry foko, mangina aza tomany 
Fa misy anjara miandry anao fôna any ho any 
Izy efa miandry manantena fitia iray izay tsy hay fefena 
Ampy hanavao, ampy hanova anao 
Ataovy ao an-tsainao, ny ampitso tsy ho hay 
Tsy atao hampihemotra intsony izay vita izay 
Fa mandrosoa, katsaho ny soa, 
dia ireo taloha, soly pejy faharoa 
Fa androany ianao mijaly ampitso ianao hifaly 
Reo soa nataonao tany any andro ho voavaly 
Oh mitonia, ry foko tia 
Indray andro any, hisolo ilay fitia, ary ho doria 
instru 

Instru....