(INTRODUCTION)
Na sarotra ny lalana aleha
Tsy ahasakana ahy tsy handeha
Na henjika na latsa eso koa,
Tsy mampaninona ahy
Navesatra ny efa nentiko
Toky foana no nasetriko
Tsy taitra aho f'ireo zay ratsy loha
Sy nampivadi po ho tsinotsinona
Tompo o ankiniko aminao
Ny fiainako sy izay rehetra mikasika ahy
Aoka ianao hitantana tsy handao
Ninoninona hanjo,na ho sarotra tokoa
Matoky anao aho ka tsy manahy
(Instrumental)
Na sarotra ny lalana aleha
Tsy ahasakana ahy tsy handeha
Na henjika na latsa eso koa
Tsy mampaninona ahy
Navesatra ny efa nentiko
Toky foana no nasetriko
Tsy taitra aho f'ireo zay ratsy loha
Sy nampivadi po ho tsinotsinona
Tompo o ankiniko aminao
Ny fiainako sy izay rehetra
Mikasika ahy
Aoka ianao hitantana tsy handao
Ninoninona hanjo,na ho sarotra tokoa
Matoky anao aho ka tsy manahy
Matoky anao zahay
miandry ny marina
fantatray ianao fa tsy miangatra
Tompo o
miandrandra anao zahay
miandry ny rariny
tsy manahy ny fanahy manana anao
Matoky anao zahay
miandry ny marina
fantatray ianao fa tsy miangatra
Tompo o
miandrandra anao zahay
miandry ny rariny
tsy manahy ny fanahy manana anao
Tompo o ankiniko aminao
Ny fiainako sy izay rehetra
Mikasika ahy
Aoka ianao hitantana tsy handao
Ninoninona hanjo,na ho sarotra tokoa
Matoky anao aho ka tsy manahy
Ninoninona hanjo,na ho sarotra tokoa
Matoky anao aho ka tsy manahy
(Ending)