menu-iconlogo
huatong
huatong
avatar

Tojo anao Tsara kokoa

Bessa/Lolahuatong
💖🇲🇬👅👄Zakarivola🍆🍑💖huatong
Lirik
Rekaman
--LAHY :

Tojo anao aho ka dia mirana,

Afa-po fa tsy hosahirana;

Hitady naman-kafa intsony,

Satria ianao dia fiononana.

Nihaino am-po ny fitarainako,

Nahatsapa ny fanaintainako;

Nampisy lanja indray ny fianako.

Nampisy lanja indray ny fianako.

... feon-kira ...

--VAVY :

Tojo anao aho ka dia mirana,

Afa-po fa tsy hosahirana;

Hitady naman-kafa intsony,

Satria ianao dia fitiavana.

Nampahatsiahy, ny hadisoako,

Indrindra tamin'ny namonoako;

Fitia nitoetra tao am-poko

Fitia nitoetra tao am-poko

... feon-kira ...

--MIARAKA :

Tojo anao aho ka dia mirana,

Afa-po fa tsy hosahirana;

Hitady naman-kafa intsony,

Satria ianao fanantenana.

Na tsy fantatro aza ny androko

Na ho fohy na ho lava dia ho andriko

Hiandrandrako ny masoandroko.

Hiandrandrako ny masoandroko.

...

Fa tojo anao aho ka dia mirana

--- famaranana ---

Selengkapnya dari Bessa/Lola

Lihat semualogo
Tojo anao Tsara kokoa oleh Bessa/Lola - Lirik & Cover