menu-iconlogo
huatong
huatong
avatar

Mianara Mba Handroso

Jw Original Songhuatong
🇲🇬Jasm_Nathhuatong
Lirik
Rekaman
Zaza izahay, kanefa fahazaranay

Hatram’izay ny niara-nianatra ny Baiboly.

Nampianatra ahy i Dada alohan’ny hatory.

Lehibe aho ’zao ka zatra, tsy mila atoro akory.

Lasa aho mamaky irery, sady am’ny fo fa tsy hoe an-tery.

Tena inoako sy tsaroako ’reo andinin-teny hanampy ahy tsy ho very.

Dieny izao mianara,

Dia ho toy ny hazo nambolena amoron’ny ony.

Mba handroso tsara.

Ho lalim-paka sy haniry ho lasa ambony.

Alatsaho am-po,

Hahomby izay atao, hiseho ny fandrosoany.

Ho rakitry ny soa.

Hahatsinjo lavitra ary tsy ho zaza intsony.

2. Raha anontaniana, izaho ve moa dia hangina?

Tiako hovaliana, na dia ho gaga aza ny ankizy hafa.

Sady efa eo daholo izay hanampy ahy,

Haiko hatram’mbola kely io fa tsisy mampanahy.

Lasa aho mamaky irery, sady am’ny fo fa tsy hoe an-tery.

Tena inoako sy tsaroako ’reo andinin-teny hanampy ahy tsy ho very.

Dieny izao mianara,

Dia ho toy ny hazo nambolena amoron’ny ony.

Mba handroso tsara.

Ho lalim-paka sy haniry ho lasa ambony.

Alatsaho am-po,

Hahomby izay atao, hiseho ny fandrosoany.

Ho rakitry ny soa.

Hahatsinjo lavitra ary tsy ho zaza intsony.

Na teny kely aza sarobidy.

Raiso am-po mba ho tadidy,

Sady hanampiana ny hafa hahita an’ilay fanalahidy.

Dieny izao mianara,

Mba handroso tsara.

Alatsaho am-po,

Ho rakitry ny soa.

Dieny izao mianara,

Dia ho toy ny hazo nambolena amoron’ny ony.

Mba handroso tsara.

Ho lalim-paka sy haniry ho lasa ambony.

Alatsaho am-po,

Hahomby izay atao, hiseho ny fandrosoany.

Ho rakitry ny soa.

Hahatsinjo lavitra ary tsy ho zaza intsony.

Selengkapnya dari Jw Original Song

Lihat semualogo