menu-iconlogo
huatong
huatong
avatar

Tia, Tena Tia

Jw Original Songhuatong
🇲🇬Jasm_Nathhuatong
Lirik
Rekaman
Misy andro iray ’zay mbola tsaroako,

Fa tam’izay no babo ny foko.

Nifanaiky isika hiara-droa,

Fa nitovy fitepo ny fo.

Raha tena fitia dia ’zao no tsiambaratelo:

Hoe ataovy toy ny tady

Randran-telo.

Ka Jehovah no ekeo mba hitsinjo ny dia.

Tia anao aho, tsy hiova ho doria,

Fa tia, tena tia.

Tia, tena tia.

2. Maro no hifandimby:

Ao ny mamy ary ao koa ny mangidy.

Ny fitiavantsika mbola ho mafy,

Randran-telo tsy ho tapaky ny antsy.

O o, ie e e.

Raha tena fitia dia, ’zao no tsiambaratelo:

Hoe ataovy toy ny tady

Randran-telo.

Ka Jehovah no ekeo mba hitsinjo ny dia.

Tia anao aho, tsy hiova ho doria,

Fa tia, tena tia.

Tia, tena tia.

Fanomezan’ilay Ray

No mahatonga antsika roa ho nofo iray.

Fitiavana lalim-paka sy mahery,

’Zay natokako ho anao, ho anao samirery.

Ka raha mbola eto an-tany aho, ry malala tsy foiko,

Dia hitepo ho anao foana ny foko.

3. Soa ihany aho fa nahita anao,

Soa ny antsika roa fa tsy kilalao.

Tsy nanenenako hoe vadiko ianao,

Tsy nanenenako hoe tia anao.

Tiako ianao.

Raha tena fitia dia, izao no tsiambaratelo:

Hoe ataovy toy ny tady

Randran-telo.

Ka Jehovah no ekeo mba hitsinjo ny dia.

Tia anao aho, tsy hiova ho doria,

Fa tia, tena tia.

Tia, tena tia.

Tia anao aho, tsy hiova ho doria,

Fa tia, tena tia.

Selengkapnya dari Jw Original Song

Lihat semualogo