Ianao ‘lay nailika
ankilabao
Nasiana tsipika
tsy azo hihoaranao
Toy irony kamboty
tsy misy mpiahy
Mba te hiangoty nefa tsy reny tsy ray
AO IZY E, HANOME
‘LAY ANJARA FITIA
F’IZY ANIE NO MANDRE
NY ANTSON’IREO VERY DIA
AO IZY E, HANOME
‘LAY ANJARA FITIA
F'IZY ANIE NO HANY MANDRE
NY ANTSO MANGINAN’IREO IZAY NANIA
Ianao ‘lay nibaboka
fa nanao ny ratsy
Vao mainka nadaboka
sy narahina fantsy
Ny resy mifona
fa lavo an-tany
Odiana tsy henoina
fa darofana ihany
AO IZY E, HANOME
‘LAY ANJARA FITIA
F’IZY ANIE NO MANDRE
NY ANTSON’IREO VERY DIA
AO IZY E, HANOME
‘LAY ANJARA FITIA
F'IZY ANIE NO HANY MANDRE
NY ANTSO MANGINAN’IREO
IZAY NANIA
Ianao diso famindra
solafaka
Ireo namanao indrindra
no nanavakavaka
Fa nadio ianao fahiny
nolazaina hoe tsy ratsy
Nefa dia nomena tsiny
fa nisy loto nanasy
AO IZY E, HANOME
‘LAY ANJARA FITIA
F’IZY ANIE NO MANDRE
NY ANTSON’IREO VERY DIA
AO IZY E, HANOME
‘LAY ANJARA FITIA
F'IZY ANIE NO HANY MANDRE
NY ANTSO MANGINAN’IREO IZAY NANIA