Aza avela handeha irery hany aho
fa mamy anie ny anilanao
Tsara ny roa noho ny iray,
lamban’akoho mandrakizay
Ka ny atao no hamaritana azy,
ny peratra ho porofo
Tsy hiofo koa ny antsika,
na semban-drahona aza hisava
Fitia tsy ho lany no omeko an-dry androany
Raha misy ny tomany,
ranomasom-pifaliana izany
Niova ilay anarany,
nitondra ny anarako
Anjara ifikirako,
fiankinana ny tratrako
ooooooo ooooooo oooooooo
Injay fa tokantrano sambatra,
hifamela, hifampihaino
Hiaraka hisantatra,
hanabe ireo taranaka
Dia ho sasatra ny handrava,
lambamena no hitambarana
Raha potraka hifanarina,
f’izany akia ilay
Fitia tsy ho lany no omeko an-dry androany
Raha misy ny tomany,
ranomasom-pifaliana izany
Niova ilay anarany,
nitondra ny anarako
Anjara ifikirako,
fiankinany ny tratrako
oooooo oooooo ooooooo
ooooooo oooooooo ooooooo
instru
Fitia tsy ho lany no omeko an-dry androany
Raha misy ny tomany,
ranomasom-pifaliana izany
Niova ilay anarany,
nitondra ny anarako
Anjara ifikirako,
fiankinany ny tratrako
oooooo oooooo ooooooo