Miverina indray ny fahiny
Ilay toetranao nahafinaritra ahy
Mampitory fitia
Niezaka foana teny aho
F’ianao no tsy nety
Ankehitriny anefa
tsapako ianao f’hay efa tia ahy
Fa tsy nampiseho
Ilay fo tsy natoy taloha
natahotra ny ho tia
Ianao no tsy niteny nefa tia
Fa vahotra ny vavanao ninia
Na sarotra aza ny hiainanao irery
Naleonao niery
Ianao no tsy nijery nefa tia
Tsy sahinao naseho izany satria
Sao potika sy rembin’ny tadio
Ilay fonao nadio
Atopatopan-drivotra ety
Ny hakanto sy hanitry ny fitia
Raha tazako ianao
Ny tsikinao nihantsy fa toa
tsy sahiko sedraina
Adinoko avokoa ny tontolo
Ny alahelo tsy hanaloka intsony
Dify tsy ho hita
Tsy hisy ho tsaroina ireo raha
hanoroka anao
Ianao no tsy niteny nefa tia
Fa vahotra ny vavanao ninia
Na sarotra aza ny hiainanao irery
Naleonao niery
Ianao no tsy nijery nefa tia
Tsy sahinao naseho izany satria
Sao potika sy rembin’ny tadio
Ilay fonao nadio