1.
Tsikitsiky lava, angolangola amin'ny tiana
Tositosy mamy sarobidy sady soa
N’iza tsy ho faly, n’iza hanao fihantsiana
Ny anaran’ialahy efa voasoratra ato am-po
2.
Doladola arindra, angotingotin-tsombinaina
Sambatra ny fo mifankatia
Ny tsikin’ny masoandro vao maraina
Enga anie hitsinjo antsika miara-dia
-- REF :
Lay lala o, Nefa moa,
misy koa fitiavana tsy avy amin’ny fo
Fitia velon-taraina, miavona ery raha vao maraina
Matokia fa manana ahy tokoa ianao
Ny fitia tsy mba nataoko kilalao
3.
Tsongotsongo kely, adiadin’ny fahiny
Ventsoventso maro, tononkalo, hirahira
Indrindra f'ilay lalam-paradisantsika iny
Tano tsara ireny ataon’ialahy ho sovenira
4.
Ny andro lasa moa izay tsy mba maty fa matory
Mitamberimberina indray
Ny tsy eo anilanao mahasosotra ahy
Eny iriko ny fitia mandrakizay

--- famaranana ---