Johane - Tantano 
Matetika rehefa resin'ny fiainana 
Izay vao mba mahatsiaro anao 
Menatra aho kanefa mino fa... 
Ianao tsy mba mandà, 
Fa andray ahy. 
Iza intsony moa no hitarainana 
Raha toa ka tsy eo ianao 
Ireo izay nantenaiko nandao ahy 
F'ianao irery ihany, 
Ilay tsy mba manary. 
Aza avelanao ho kivy aho 
Ry Tompo ô ô ôh! 
Na dia mafy sy mangidy aza 
Ny nahazo ahy! 
Aoreno mafy ny fanahiko! 
Ho ankatò ny teninao. 
Ref: 
Tantano aho! mba tsy analavitra anao 
Ampio aho! amin'izay rehetra atao 
Ka na mbola ho lavitra aza izany dia 
Tsy ho kivy aho satria e! 
F'ianao nilaza, 
Fa izay mino anao; 
Tsy ho very mandrakizay. 
Aoreno mafy ny fanahiko! 
Ho ankatò ny teninao. 
Ref: 
Tantano aho! mba tsy analavitra anao 
Ampio aho ôôô! ôô ôh! amin'izay rehetra atao 
Ka na mbola ho lavitra aza izany dia 
Tsy ho kivy aho satria e! 
F'ianao nilaza, 
Fa izay mino anao; 
Tsy ho very mandrakizay. 
Tantano aho! mba tsy analavitra anao 
Ampio aho ôôô! ôô ôh! amin'izay rehetra atao 
Ka na mbola ho lavitra aza izany dia 
Tsy ho kivy aho satria e! 
F'ianao nilaza, 
Fa izay mino anao; 
Tsy ho very mandrakizay.