menu-iconlogo
huatong
huatong
avatar

Tsy misy ny doria - Live

Mahaleohuatong
rallievb119huatong
Lirik
Rakaman
Hiara-hiaina ny andro androany

Ho toy ny andro farany

Hiara-higoka izay mety ho mamy

Mandra-pahalefin'ny tarany

Ny maso hikimpy tsy hahita,

Ho tapitra ny fofonaina

Hanenenana izay tsy vita fa

Raha any ankoatra tsy ho ilaina

Satria ny vintana sy anjara

No mamaritra ny dia

Ny hoavy tsy voatery ho tonga lafatra

Satria tsy misy ny doria

Ny ampitso fanontaniana,

Mety ho vatana mangatsiaka

Hiara-hioty izay zava-tiana

Dieny mbola eo anilany

Satria ny vintana sy anjara

No mamaritra ny dia

Rahampitso ny lalantsika

Mety hizara satria tsy misy ny doria

Satria ny vintana sy lahatra

Mety hamaritra ny dia

Rahampitso ny lalantsika

Mety hizara satria tsy misy ny doria

Lebih Daripada Mahaleo

Lihat semualogo