Hay Hay Hay Hay Hay, Hay
izao vao tsapanao tokoa
Fa mafy ny fiainana
Hay Hay Hay Hay Hay, mafaitra
Ny mikaroka ny soa
Rehefa tsisy ny hitarainana
Fony mbola teo i dada sy i neny
Tsy nohenoina akory raha niteny
Sy mba nanahanatranatra…
Eeeee raha mahatsiaro ireo taloha
Mila ho vaky teo re ny loha
Fa tsy misy ny atokona
Ny manodidina ahy toa ngazana
Nahoana no mitokona
Hay Hay Hay Hay Hay, mafy
izany tsy mba mitafy
Afa-tsy ankanjo rovitra
Hay, rehefa tsy eo koa i neny,
Dia tsy maintsy mihafy
Na dia noana sy mangovitra.
Eeeee raha mahatsiaro ireo taloha
Mila ho vaky teo re ny loha
Fa tsy misy ny atokona
Ny manodidina ahy toa ngazana
Ny totohondry no avokona
Eeeee raha mahatsiaro ireo taloha
Mila ho vaky teo re ny loha
Instru...