--SOLO 1
Teto izahay no nanao ny fanekena
Vita tamin’ny fo madio fa sanatria tsy nisy noterena
Teto izahay
--DUO :
no nanomboka nizara fitiavana
Tsy maty akory ireny fa nipetraka ho tantara
--SOLO 2
Teto ihany koa no nanaovanay ny voady
Velirano, visavisa ny hoavy fa hiaraka hitady
Teto daholo
-- DUO
ny rehetra no nitranga
N’inona hidona na zavatra hihatra
Dia ny hitovy saranga
-- REF :
Folaky ny haizina ve ka hangina
Rahampitso indray aho miandry fitsikina
Ny ho kivy sanatria
f’izany ihany ny fiainana ety
... feon-kira ...
--SOLO 2
Fa teto koa no niaretanay ny mafy
Nisotroanay ny mangidy sy ny mamy
Ary tsy mantsy mihafy
Teto izahay
-- DUO
vao niandoha tsy nanana
Fa samy niady mafy
mba hisy zava-tsoa
am-pelantanana
--SOLO 1
Mbola eto anefa no hitoeranay hatrany
Mandra-piandry izay lahatra fiantsoana
Ka handaozanay ny tany
Mbola eto koa
-- DUO
no hamelomanay indray fitia vaovao
Ary farany aza angamba eto no hilevenanay
-- REF :
Folaky ny haizina ve ka hangina
Rahampitso indray aho miandry fitsikina
Ny ho kivy sanatria
f’izany ihany ny fiainana ety
Folaky ny haizina ve ka hangina
Rahampitso indray aho miandry fitsikina
Ny ho kivy sanatria
f’izany ihany ny fiainana ety
--- famaranana ---