Zao indray no hiarahabako anao 
Mitsingerina androany ny nahaterahanao 
Mitsikia sy mifalia sy miravoa 
Fa ny anio dia andro soa tokoa 
Ny hafalianao, hafaliako ihany koa 
Ny hasambaranao no tena hasambarako tokoa 
Ho tanteraka tokoa izany anio 
Ny ato an-tsaina amin’ny fo madio 
Izaho anefa tsy mahatakatra 
Zava-tsarobidy fatratra 
Fa ny atolotro izao 
Dia ny hiraKO ho anao 
Arahabaina fa tratry ny fetinao 
Arahaba ka manoroka anao 
Mba ho lava andro iainana ety 
Hiaraka eto foana sy hifankatia 
Arahabaina fa tratry ny fetinao 
Arahaba ka manoroka anao 
Mba ho lava andro iainana ety 
Hiaraka eto foana sy hifankatia 
instru..... 
‘Zao indray no iarahabako anao 
Mitsingerina androany ny nahaterahanao 
Mitsikia sy mifalia sy miravoa 
Fa ny anio dia andro soa tokoa 
Arahabaina fa tratry ny fetinao 
Arahaba ka manoroka anao 
Mba ho lava andro iainana ety 
Hiaraka eto foana sy hifankatia 
Arahabaina fa tratry ny fetinao 
Arahaba ka manoroka anao 
Mba ho lava andro iainana ety 
Hiaraka eto foana sy hifankatia 
Ou ou ou ou 
Joyeux anniversaire Marie, de la part de Fred