menu-iconlogo
huatong
huatong
avatar

Ilay Nosy

Mahaleohuatong
🇲🇬GW🌍Sitraka☘️huatong
เนื้อเพลง
บันทึก
Na lavitra aza aho

Tsy nanadino anao

Fa toy ny reny nitaiza

Tsy adino n’aiza n’aiza

Fa nahitako masoandro

Tiako sy mamiko

O tadidiko isan’andro

Tiako ny taniko

Fa tiako anie ilay nosy

Ilay nanabe, nibaby, nandrotsirotsy

Fa n’aiza n’aiza

Honenana

Ny tany nitaiza

Tsy maintsy hiverenana

Fa ao no hilevenana

Raha toa aho nandeha

Tsy hitahita, tsy re

Tsy hoe akory nanary

Fa nikaroka, nihary

Fa ny fanahy, ny fo

Tsy taiza fa teo ihany

O tany aminao avokoa

Fa mamy ianao, tena mamy

Fa tiako anie ilay nosy

Ilay nanabe, nibaby, nandrotsirotsy

Fa n’aiza n’aiza

Honenana

Ny tany nitaiza

Tsy maintsy hiverenana

Fa ao no hilevenana

เพิ่มเติมจาก Mahaleo

ดูทั้งหมดlogo