Toa ny vorona niara-niriaria ,Teny an-dohasaha izahay
Ny rivotra nifofo ny orana nikija Niaraha-nisetra avokoa
Mahita anao aho ankehitriny ,Dia toa adinoko ireny
Variana tamin’ireo tambitamby Ny ahy fitia tsy antenaina
Ref: Fa na dia satriko aza
Ny hitafa aminao eto ihany Avelao aho hamonjy ilay namako any ho any
Fa manembona aho izany Mahatsiaro ny fahazazana nivalona fahiny
Hany ka mila ho tomany
Fony izahay niara-nilalao ,
Na ny soa na ny ratsy Niarahanay natao
Nisy ireo hafaliana Sy ranomaso indraindray
Fotoana maro teto anilanao Toa haravoana lalandava
Nanafina alahelo hakiviana Nahatonga ahy toa hanjombon-dava
Ref: Fa na dia satriko aza
Ny hitafa aminao eto ihany Avelao aho hamonjy ilay namako any ho any
Fa manembona aho izany Mahatsiaro ny fahazazana nivalona fahiny
Hany ka mila ho tomany
Mahatsiaro ny fahazazana nivalona fahiny
Hany ka mila ho tomany
Mahatsiaro ny fahazazana nivalona fahiny
Hany ka mila ho tomany