menu-iconlogo
huatong
huatong
avatar

Tanalahy ny foko

Mahaleohuatong
KaMi_Rackaelhuatong
Şarkı Sözleri
Kayıtlar
Izay mena valala

Izay tiana malala

Nefa ianao raha te-hiala

Dia aza misalasala

Hatrizay ianao

No tompon' ny safidy

Izay tianao no natao

Satria ianao no didy

Nefa tanalahy ny foko hahay hiova loko

Nefa tanalahy ny foko hahay hiova loko

Raha ny tany malemy

Azo hanorenam-pangady

Feno eny rehetra eny

F'izaho no tsy te-hitady

Nefa raha tianao izany

Dia sahiko ny milaza

F'izao dia izao ihany aho

Hahita ny sahaza

Satria tanalahy ny foko mahay hiova loko

Satria tanalahy ny foko mahay hiova loko

Tsy ny masoandro matory

No hahafoana ny taratra

Ny volana koa anie boribory

Mirehitra fatratra

Ianao no te-handeha

Soava dia, mahereza

Ny tia ahy be dia be

Be ny mitady seza

Satria tanalahy ny foko mahay hiova loko

Satria tanalahy ny foko mahay hiova loko

Nefa aza manantena

F'izaho no hitomany

Na hiantso hoe miverena

Nofinofy izany

Fa fanajana anao

No nampipetraka ahy

Ianao indray no te-handao

Oadray! Soa ihany lahy

Tretrika, tretrika ny foko hahazo hiova loko

Tretrika, tretrika ny foko hahazo hiova loko

Mahaleo'dan Daha Fazlası

Tümünü Görlogo