Tonon-kira iray ê!
Ahatsiarovako anao
Io ilay hira Fahizay ê!
Fony mbola niaraka izaho sy ianao
Vaky ny sitara
Mangina koa ny valiha
Izaho sy ny gitara
No hany sisa mandihy
Vololona ô Vololona a!
Vololona ô Vololona a!
Hitako ianao omaly ê!
Teo an-tratran’ny zalahy iny
Tsapako fa falifaly
Adinonao ny fahinyS
entosento sorisory ê
Adin-tsaina koa
Na mijoro na matory ê
Ny anaranao no ato an-doha
Vololona ô Vololona a!
Vololona ô Vololona a!
Tsy alahelo ve moa?
Olombelona ihany
Raha mahatsiaro ny taloha
Mety ho lasa vinany
Mizara roa ankehitriny ê
Ny lalantsika teo
Samy mahazo izay iriny
Ka ny ho avy no jereo
Vololona ô Vololona a!
Vololona ô Vololona a!