Tsy hana-java mahory isika
Hiara hivavaka hatrany hatrany
Io no lakanay hi enti-miampita
Hitondrany antsika mankany
Kiviky saika resy ianao
Fa toa ory hava-manana
Amin'ny anaran'I Jesosy andao
Hifanaiky hifandray tanana
Hiara hivavaka isika
Tsy mivadika Andriamanitra
Hiara hivavaka isika
Mandra-pisokatry ny lanitra
Fa maintsy ho tafita
Re izany any an-danitra any
Fa ankohonana isika
Am-po, am-panahy, amin'ny ràny
Ho velombelominy ianao
Eny amoron-drano fialan-tsasatra
Tsy hisy tsy ho hainao atao
Voatsinampinao io lanja miakatra
Na ny aloky ny fahafatesana aza
Tsy ahasakana ny fahagagana
Ny aizim-pito no mampilaza
Fa efa manakaiky ny fahazavany
Hiara hivavaka isika
Tsy mivadika Andriamanitra
Hiara hivavaka isika
Mandra-pisokatry ny lanitra
Fa maintsy ho tafita
Re izany any an-danitra any
Fa ankohonana isika
Am-po, am-panahy, amin'ny ràny(x2)
Tsy hisy hampimalo
na sarotra aza ny lalana
Ny mason'ny fahavalo
ny latabatra hinanana
Fa ny manana
ny fahamarinana
no hany lalàna hitondrany
Hatrany am-parany... noho ny Anarany..
( heey iiii eee eee..)
Hiara hivavaka isika
Tsy mivadika Andriamanitra
Hiara hivavaka isika
Mandra-pisokatry ny lanitra
Fa maintsy ho tafita
Re izany any an-danitra any
Fa ankohonana isika
Am-po, am-panahy, amin'ny ràny
Fa ankohonana isika
Am-po, am-panahy, amin'ny ràny
THANKS GOD-
HERI :)