Eny hono hoe, nitsiry ihany ilay voa kely nafafy 
Eny hono hoe, namelana teo ihany koa voninkazo 
Tsara loko, tsara fofona kokoa 
Mamerovero an-jaridainako 
Toy ny antsika ihany 
Tantara mamy 
Eny hono hoe, nitsiry ihany ilay voa kely nafafy 
Eny hono hoe, namelana teo ihany koa voninkazo 
Tsara loko, tsara fofona kokoa 
Mamerovero an-jaridainako 
Toy ny antsika ihany 
Tantara mamy 
Fa na io ranomasina io ary 
Tsy hametra ny lanjam-pitia nanombanako anao 
Hitsambikimbikina valam-parihy aho 
Raha azo natao dia nankeny aminao 
Mafimafy izao ny any 
Mikatsaka aloha vao mikabàka ny atý 
Ny elanelan-tany 
Mbola ho resy io fa araho am-bavaka eny akia 
Fa io vao niandoha 
Efa arako tsara fa sarotra, hamaky ny loha 
Mahasoa aloha vao mahafinaritra 
Andrianin’ny foko ianao 
Lalaiko ihany koa 
Voninkazo mifoha 
Voninkazo mifoha, laingo o 
Araraotiko etoana ny segondra vitsy niarahana 
Hihamafy hatrany anie ny fifankatiavana 
Ka na ora-mikija na rivo-mahery tsy ataontsika hahasakana 
Ny fitsimoky ny afom-pitia 
instru 