Ouh ouh
Yeh yeh yôh
Misaotra an'Andriamanitra aho fa notolorany ho ahy
Ilay tian'ny fanahiko
Izy Tompon'ny fitiavana no mbola angatahana
Fanahy Masina handrakotra ty fiainanay
Fa na ny ony maro aza tsy hahafaty ny afom-pitia
Satria ilay Ray izay mitahy azy ihany no mitsodrano azy
instru
Ataoko eto anatrehany, ny voady tsisy fetrany
Ho tia anao mandrakizay
Ny heriny no iankinako fa olombeolona ihany aho
Tsy hahatohitra ny fakampanahy
Fa na ny ony maro aza tsy hahafaty ny afom-pitia
Satria ilay Ray izay mitahy azy ihany no mitsodrano anay
instru
Izao isika iray (ho iray ho iray ny fiainanay)
Satria izao no lahatr'Andriamanitra
Voafatotra ho iray (ho iray ho iray ny fitiavanay)
Ny sitrapon'ny Ray no nahatonga izao
Ka dera saotra laza no mendrika atao
Instru
Izao isika iray (ho iray ho iray ny fiainanay)
Satria izao no lahatr'Andriamanitra
Ho iray (ho iray ho iray ny fitiavanay)
Ny sitrapon'ny Ray no nahatonga izao
Ka dera saotra laza no mendrika atao
Ouh ouh