menu-iconlogo
huatong
huatong
avatar

Bemolanga

Mahaleohuatong
moniqueangle2008huatong
歌词
作品
Ny taona ity miherina,

Asa izay mba hoentiny

Ahiako mbola hiverina

Hitovy tamin'ny taona lasa

Ny zavatra raiketiny

Fa ny fanantenana

Efa mihena mitsilopy,

Fa tsy misy fihatsarana

Izay mety ho fiovana

Efa zary nofinofy

Ireo voa nafafy

Taona maro lasa izay

Ho an'ny zanaka aman-jafy

Mbola tsy vokatra ihany

Efa taona firifiry

No nantenaina hitondra soa

Ahi-dratsy no naniry

Ny tany maina avokoa

Mitombo ny faramandimby

Ny tany koa mihatery

Ny taona faly mifandimby

Mody marenina

Minia tsy mijery

Manahy aho fa tsisy hiova

Ny omaly tsy hiova volo

Toy ny fanaka eny an-drova

Tsisy nanombinana

Efa may daholo

Rahoviana no hitranga,

Asa angamba atsy ho atsy,

No ho tonga i Bemolanga?

Isika tsy ho lany vatsy

Rahoviana no hitranga,

Asa angamba atsy ho atsy,

No ho tonga i Bemolanga?

Isika tsy ho lany vatsy

Ny taona ity miherina,

Asa izay mba hoentiny

Ahiako mbola hiverina

Hitovy tamin'ny taona lasa

Ny zavatra raiketiny

Rahoviana no hitranga,

Asa angamba atsy ho atsy,

No ho tonga i Bemolanga?

Isika tsy ho lany vatsy

更多Mahaleo热歌

查看全部logo

猜你喜欢