logo

Ravitoto

logo
الكلمات
Indray hariva nifoka sigara teo an-tokotany

Nanontany tena, mba ho lasa inona indray androany

Nidobodoboka henoko tsara ny tany am-poko tany

Hoe inona no tena ilàvana ahy eto an-tany

Inona no tian'i dada ?

Inona no tian'i mama ?

Inona ilay asa mahavelona tsara sy mendrika hikaramana ?

Inona no tian'i ramose ?

Inona no tian'i madama ?

Aiza no hiafaran'ny lesona averina any am-pianarana any ?

Hanao izay hahafaly an'iry

Mba tsy ho afa-baraka amin'ny atsy

Izay no mibaiko ny safidiko mazana na ho tsara na ho ratsy

Dia mila mibôsy an'ity

Fa sao dia tsy tafa hono mantsy

Dia ilay nofinofy matahotra ho faty satria efa nambanako ny antsy

Dia nataoko ary izay tian'ny olona

Na tsy sitrapoko aza

Miandry doka amin'ny fiaraha-monina hoe

hendry kosa ilay zaza

Non non

Nataoko ary izay tian'ny olona

Na tsy sitrapoko aza

Te ho lakana ity hazo

Mba tondrahy izaho fa malazo

Kanefa tsy ho lakana aby ny hazo

Ravitoto mangahazo,

Te ho lakana ity hazo

Mba tondrahy zah fa malazo

Kanefa tsy ho ho lakana aby ny hazo

Ravitoto ôô

Andana l'ty manao dokotera

Hmmm, kelikely ny tokon'aina

Poinsa koa manao pilote

Te hanidina ihany aho fa any an-tsaina

Pôlitika hitantana firenena

Aleoko mijanona ho hambakaina

Ny hiafarany sociologue

Tiako ihany fa nampiferin'aina

Niteny aho fa tsisy nihaino hoe

Izaho mba te ho... "Inona a?"

Rehefa nisy nihaino indray dia tsisy nino hoe

Izany mba hahazo ohatr'inona?

Raha natokisana hatramin'ny voalohany aho

Tsy nampatahotra ahy ny any aoriana

Tsy voabaikona zavatra fohana aho

Fa ny nofinofiko aza ampangninina

Lasitra tonta efa hatramin'izay

No hamadibadihany ny hoavinao.

Hatramin'izay izy no efa mofogasy

Mbola mofogasy ihany hatramin'izao.

Izaho tsy miteny hoe io mofo ratsy

Fa mba te hihinan-javatra vaovao.

Tsy hanatanteraka nofy ratsy

Fa hanao mozika izao dia izao.

De ho atao ve izay tian'ny olona

Na tsy sitrapoko aza ?

Himonomonona ny fiaraha-monina

Hoe mafy loha izany raha zaza.

Non non.

Ho atao ve izay tian'ny olona

Na tsy sitrapoko aza ?

Novelomiko ny ordi

Nataokotaoko ary ny insta

Nampiakampiakariko ny inspi

F'efa ohatry ny adala manenjika aho

Impiry aho no bedin'i dada sy neny

Ny lesonao mba hianaro kely

Aleoko nandrafitra fehezan-teny

Itoeran'ny fanahy malahelo

Dia nadoboko mba hampitresaka

Izay sakana rehetra nipetraka

Nasiako dia io fa niteraka

Asa soratra bobaka betsaka

Nahazoako daka... felaka

Niandry an'i Paoly aho raha niandry mpitehaka

Aza gadraina ao amin'ny rindrina efatra

Fa omeo elatra, hivelatra.

Dia nataoko ary dia tian'ny olona

F'izay no sitra-poko a

Gaga eo ny fiaraha-monina

Hoe lasa ihany ilay zaza

Ouais ouais

Nataoko ary dia tian'ny olona

Fa izay no sitrapoko a

Te ho lakana ity hazo

Mba tondrahy zah fa malazo

Kanefa tsy ho ho lakana aby ny hazo

Ravitoto ôô

--------

Ravitoto لـ bolo - الكلمات والمقاطع