--LAHY :
Tojo anao aho ka dia mirana,
Afa-po fa tsy hosahirana;
Hitady naman-kafa intsony,
Satria ianao dia fiononana.
Nihaino am-po ny fitarainako,
Nahatsapa ny fanaintainako;
Nampisy lanja indray ny fianako(2).
... feon-kira ...
--VAVY :
Tojo anao aho ka dia mirana,
Afa-po fa tsy hosahirana;
Hitady naman-kafa intsony,
Satria ianao dia fitiavana.
Nampahatsiahy, ny hadisoako,
Indrindra tamin'ny namonoako;
Fitia nitoetra tao am-poko(2).
... feon-kira ...
--MIARAKA :
Tojo anao aho ka dia mirana,
Afa-po fa tsy hosahirana;
Hitady naman-kafa intsony,
Satria ianao fanantenana.
Na tsy fantatro aza ny androko
Na mbola ho lava dia ho andriko
Hiandrandrako ny masoandroko
Hiandrandrako ny masoandroko
Fa tojo anao aho ka dia mirana
--- famaranana ---