Ampianaro aho Tompo mba
Ho haiko ny mitondra ilay
fitiavana ato am-poko mba
Ho ravaka diamondra
Toroy aho ry Raiko Ilay
fitiavana tanatiko
Tsy ahavery ahy Fa atolotro ho fanatitro
Homeo ahy ny fandeferana Handreseko ny ambom-po
Toroy ny faharetana Handrandrako valisoa
Homeo ahy ny fahendrena Sy ny fiharovan-tena
Ho mendrika tokoa re Ny fitiavanao
Toroy aho hahay hitia Ampio mba ho mendrika
Tahio aho aharitra ho doria
F’aza avelanao ho rendrika
Ny fitia avy aminao Fa faniriana hiany ny ahy
Hapetrako eo an-tananao
Ny foko mino tsy manahy