Sasatra aho
ny manara-maso anao entanim-pitiavana
raiki-pitia
toa mahatsiaro tena ho fianaritra
raha notarafinao tsikim-panantenana
sasatra aho
ny miandry lava anao manana finiavana
ny hanara-dia
mandrevy ilay fiarahana maharitra
raha vao notafainao indray niserana
hay inty noheveriko
masoandro hamoha ilay
foko mbola matory
efa manan-tompo fa fahalalam-pomba no nitsikiany ahy
ka aleo hihira aho
hanamaivana alahelo mivagongo anatiko ao
ny alom-pahatsiarovana
k’aleo hivazo aho hanalana sorisory
hirako izao hanadinoako anao
sasatra aho ny miverimberina
te hitraotra mafy indray nefa tsy sahy
ny lalana nodiavina tsy hiverenana
fa aleo hivalona ny amin'iny
fa sasatra aho ny manonofy ilay
alin-diavolana somambisamby
mbola manantena fa any ilay andro iray
hanairan’ny fitiavana ity foko matory
hay inty noheveriko masoandro hamoha ilay
foko mbola matory
efa manan-tompo fa fahalalam-pomba
no nitsikiany ahy
k’aleo hihira aho hanamaivana alahelo
mivagongo anatiko ao
ny alom-pahatsiarovana
k’aleo hivazo aho hanalana sorisory
hirako izao hanadinoako anao
k’aleo hihira aho hanamaivana alahelo
mivagongo anatiko ao
ny alom-pahatsiarovana
k’aleo hivazo aho
hanalana sorisory hirako izao
hanadinoako anao