Tsy haiko aloha ny anao fa ny amiko efa lafatra
Raha fitiavana no resaka dia feno be dia be
Satry foana anie ry tiako hiala sasàtra
Hamihina ny vatànao ,handray dia hanome
Hizara Fitia ...
Iriako ho Doria ..
Ny ahy sy ianao fa izao
Mahatalanjona ahy foana
'Lay isika roa rehefa mihaona
Fidoboky ny fo
Toa Lasa iray ilay Roa. Eoah ...
Raha tsapànao ny tsapàko
Fihino ary ny tanako
Avia an-tràtrako
Ho lasa iray ilay roa .. eoahhh.
Dia tsy handry foana hoe rahoviana indray no iaraka
Hibanjina ny hakantonao ilay hatsaran-tarehy
Tsongotsongonao toa Lasa fahazarana nitondra tsirom-piainana
Hafenoina tsy hanin-droa
Fa hainao ny mizàra ..
Hainao koa ny mitàna
Mitahiry ireo tsiambarateloko.
Mahatalanjona ahy foana
'Lay isika roa rehefa mihaona
Fidoboky ny fo
Toa Lasa iray ilay Roa. Eoah ...
Raha tsapànao ny tsapàko
Fihino ary ny tanako
Avia an-tràtrako
Ho lasa iray ilay roa .. eoahhh.