menu-iconlogo
logo

Anilan'ny tiana

logo
avatar
Rossylogo
💖|Ss_Rackael_Weish|💖logo
Пой в Приложении
Тексты
Instru

Ny alina zary mazava

Ny andro diavolana lava

Ny rehetra mitondra hafaliana

Rehefa eo anilan'ny tiana

Na inona zava-manjo

Izy eo anilan'ny fo

Tsy misy zavatra ahiana

Rehefa eo anilan'ny tiana

Ny ririnina misy hafanana

Ny haizina misy hazavana

Na ora-mikija na rivo-mifofo

Ny fitiavan'ny tiana tsy miofo

Fahavaratra na lohataona

Na inona eo anoloana

Dia tsikitsiky tsy lany hamamiana

Rehefa eo anilan'ny tiana

Ny ririnina misy hafanana

Ny haizina misy hazavana

Na ora-mikija na rivo-mifofo

Ny fitiavan'ny tiana tsy miofo

Fahavaratra na lohataona

Na inona eo anoloana

Dia tsikitsiky tsy lany hamamiana

Rehefa eo anilan'ny tiana

Ny tetika mpandrava laka

Ny hasomparana tena tsy zaka

Vao miha-manamafy ny tiana

Rehefa eo anilan'ny tiana

Ny olana azo silahina

Zakaina iaraha-manao

Toa zary hasambarana zina

Rehefa eo anilan'ny tiana

Na dia be aza ny fahavalo

Ny tiana tsy mety atakalo

Fa andry iankinana tsy maba mikoro

Andry mahitsy fijoro

Fahavaratra na lohataona

Na inona eo anoloana

Dia tsikitsiky tsy lany hamamiana

Rehefa eo anilan'ny tiana

Na dia be aza ny fahavalo

Ny tiana tsy mety atakalo

Fa andry iankinana tsy maba mikoro

Andry mahitsy fijoro

Fahavaratra na lohataona

Na inona eo anoloana

.......