menu-iconlogo
huatong
huatong
johane-safidy-cover-image

Safidy

Johanehuatong
💖🇲🇬ⓈⓊⓀⓄⓉⓉⓄ🍜スコット💖huatong
Lyrics
Recordings
Androany lazaiko anao ny ao am-poko ao

Na dia efa fantatrao fa fitiavana

Tsy misy ahasolo anao tsy misy ny ankoatranao

Izao tontolo izao zava-poana raha tsy eo ianao

Nifanome toky fa hoe hiaradia mandrakizay

Na mbola tsy hay izay ho avy

Ny antsika roa tsy ho rava

Ka aza manahy intsony ianao

Safidiko ny ho tantananao

Hanaraka anao aho n'aiza n'aiza hitondranao ahy

Mino aho fa ianao koa toa ahy

Tena tia ahy ho mandrakizay

Hitambatra izaho sy ianao

Hiara hisedra ny mafy ho mandramaty

K'aza omen-tsiny aho

raha toa saropiaro aho

Satria tsy manana ankoatranao

safidy ny ho anao

Ka aza ilaozanao

satria tsy haiko ny miaina tsy misy anao

Efa lasanao tanteraka aho

izay ilay fitiavana

Nifanome toky fa hoe

hiaradia mandrakizay

Na mbola tsy hay izay ho avy

Ny antsika roa tsy ho rava

Ka aza manahy intsony ianao

Safidiko ny ho tantananao

Hanaraka anao aho n'aiza n'aiza hitondranao ahy

Mino aho fa ianao koa toa ahy

Tena tia ahy ho mandrakizay

Hitambatra izaho sy ianao

Hiara hisedra ny mafy ho mandramaty

Mino aho fa ianao koa toa ahy

Tena tia ahy ho mandrakizay

Hitambatra izaho sy ianao

Hiara hisedra ny mafy ho mandramaty

More From Johane

See alllogo