Na vahotra aho ela izay
Tsy niala ao anatiko ao
Ireo teny novolenao
Voafafinao hatrizay
Na irery aho tsy afa-nania
Satria tia te hiara-dia
Nafeniko anao ilay foko tia
Voafatotrao hatrizay
Niafina irery ho anao
Niafy aho, tsy sahy aho ny niteny hoe
Mangetaheta anao aho
Ny fo sy ny saiko nirediredy hoe
Tsisy ohatra anao raha ny ety
Feno fitiavana ao am-poko ao
Tsy misy toerana intsony
Rakotra tantely tsy hay idirana
Itoeran’ny mamy ho anao
instru
Toy ny masoandroko ianao
Tsy handao ny androm-piainako
Hery sy hafanana ho ahy
Osa aho raha lavitra anao
Manam-pinona aho anio,
hanantena fa izaho
Hifefy ny angolanao,
ilay fanirinao hatrizay
Ilay fo malemiko aty,
fantatrao fa tsy sahy hiteny aho satria
Satria voaloham-pitia
Niafy aho, tsy sahy aho ny niteny hoe
Mangetaheta anao aho
Ny fo sy ny saiko nirediredy hoe
Tsisy ohatra anao raha ny ety
Niafy aho, tsy sahy aho ny niteny hoe
Mangetaheta anao aho
Ny fo sy ny saiko nirediredy hoe
Tsisy ohatra anao raha ny ety
instru
Niafy aho, tsy sahy aho ny niteny hoe
Mangetaheta anao aho
Ny fo sy ny saiko nirediredy hoe
Tsisy ohatra anao raha ny ety
Feno fitiavana ao am-poko ao
Tsy misy toerana intsony
Rakotra tantely tsy hay idirana
Itoeran’ny mamy ho anao
.........