Na nandrotsirotsy ny anilanao
Tsy haiko fefena ny adalana vitanao
Sy izay rehetra ataona ahy
Tsy hitako any ambadika any
Amin'izao ianao tsy harenako fa lasa aretiko
Manimba ny ato am-po
Ianao tsy ho vitako tsy haditra
Hatramin'izay aho niaritra
De aleo angamba ho tapitra
Niezaka ihany aho nanao zay nety e
Fa ianao toa tsy nety nandre
T'anilanao nahazoako ny mafy e
Tsy ho vitako ny hiaritra hijaly e
K'aleo aloha zah andeha hiala aminao
Fa mba miangavy anao
Aza antsoina intsony
Na mbola tia anao aza ah avelao
Tsy zaka ny handre ny feonao mandrotsirotsy
Na ny hahita anao
Ka na tsy hisy intsony aza
Olon-kafa tiako hihoatr' anao
Dia aleoko mionona ihany
Toy izay aho hijaly anilanao
Reny ah mba niteny tsy norarahina
Voa tany ianao vo mahatsiaro mody
Lehilahy tsy mahazaka fanambadina
Fa zah tsy mahazaka ty ataonao ty
Efa ho isanandro aho ny ampitomanianao
Manjombon-dava tsy misy hafaliana
Fa nampanantena ianao hoe
Izaho sy ianao hifanohana anefa
Hatr'izay ianao tsy harenako fa lasa aretiko
Manimba ny ato am-po
Ianao tsy ho vitako tsy haditra
Hatramin'izay aho niaritra
De aleo angamba ho tapitra
Fa mba miangavy anao
Aza antsoina intsony
Na mbola tia anao aza ah avelao
Tsy zaka ny handre ny feonao mandrotsirotsy
Na ny hahita anao
Ka na tsy hisy intsony aza
Olon-kafa tiako hihoatra anao
Dia aleoko mionona ihany
Toy izay aho hijaly anilanao(*2 refrain)